Tsy hilefitra amin’ny fanasaziana izay mihoa-pefy amin’ny fifehezana ny fako ny faritra Analamanga. Hihahenjana ny sazy sy ny lamandy.
Giazana avy hatrany ireo kamiao mbola tratra manary fako amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Hentitra ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, nandritra ny fambolen-kazo notanterahina teny Analamanga Park, omaly. Mandoa lamandy faran’izay henjana izy ireny ho fanasaziana azy. Hampiakarina ny sandan’izany .
Tsy fako avy amin’ny tokantrano, toy ny mahazatra intsony, no arian’ireo kamiao sasany. Misy tena fako amina orinasa ka tsy manaja ny lamina efa napetraka.
Efa nandeha foana ny fifampitaizana taloha. Miditra amin’ny fanasaziana amin’ izay izao ho an’ireo tsy manara-dalàna, indrindra amin’ity resaka fako ity, hoy hatrany ny governora. Havadika zezika hoentina mamokatra homena tantsaha ny fako ao amin’ny toby vonjimaika eo Anosimpatrana. Haodina ho entona fandrehitra ihany koa ny fako. Efa mandeha ny famolavolana ny tetikasa, ankehitriny. Tsy azo anariana fako intsony ao an-toerana amin’izao fotoana izao.
Namboly hazo
Zana-kazo 1 000 fototra no novolen’ny fianakaviamben’ny faritra Analamanga teny Analamanga Park, omaly. An-jatony ny zana-kazo fihinam-boa, toy ny corossol sy pibasy ary zavoka. Toerana tsidihin’ny olona ny Park Analamanga ka izay no safidy nanaovana ireo voankazo ireo ao an-toerana. Vinavinaina ny hahafahan’ny mpitsidika mioty vokatra any aoriana any.
Misy ihany koa ireo zana-kazo “frêne” satria karazan-kazo haingam-pitombo izy ireny ary ahafahana mandrakotra ala vetivety ny toerana. Ankoatra ireo ny hazo fanaingoana tanàna, toy ny flamboyant sy ny liquidambar. An’ny faritra Analamanga ny toerana. Natao hitsangatsanganan’ny rehetra. Hitohy amin’ ny kaominia ato anatin’ny faritra Analamanga ny fambolen-kazo.
Tatiana A