Fitaterana Ambohidratrimo-Vassacos : mamaha ny olan’ny mponina ny fisian’ny kaoperativa vaovao

Tsy nanaiky ny fandaminana. Nitokona ny mpitatitra taxi-be eny Ambohidratrimo, omaly. Noho ny fisian’ny kaoperativa vaovao ny anton’ny fitokonana.

Nanao fitokonana ny taxi-be mampitohy an’Alakamisy-Vassacos, omaly, rehefa tsy nanaiky ny fampidirana ny kaoperativa hafa miainga eo Ambohidratrimo.
Nanazava ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno, fa nisy fangatahana nataon’ny kaominina tamin’ny taona 2020-2021 mahakasika ny hiasan’ny kaoperativa hafa ho famahana ny olan’ny taxi-be eo Ambohidratrimo izay tena mampitaraina ny mponina.
Nampiantso indray ny kaoperativa ny kaominina, ny volana janoary teo, ny amin’ny hamahana ny olan’ny fitaterana indray ka tonga ny zotra D izay vonona hitatitra olona miainga eo Ambohidratrimo.
Nanomboka ny alatsinainy teo ny fitaterana ary nankasitrahin’ny mponina izany. Ny kaoperativa Fanantenana no efa tena am-perinasa ankehitriny fa efa nanaiky ihany koa ny Kofmad sy ny Fifiabe, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna hatrany. Manodidina ny 30 ireo fiara mitatitra miainga eo Ambohidratrimo ireo.
Napetraka ny fandaminana ka tsy mandray eo amin’ny Coca Ambohidratrimo intsony izay taxi-be avy any Alaka­misy fa avy hatrany dia eo an-tsena no manala olona. Io no mahatezitra ny mpitatitra ka nahatonga ny fitokonana omaly. Niarahana tamin’ny kaoperativa sy ny ATT ary ny minisitera sy ny kaominina ny fandaminana. Hitohy ny fihaonana amin’ireo mpitokona anio.

Tatiana A

Partager sur: