Governora faritra Analamanga : “Olona diso lalana izay mitaona fitokonambe”

“Tena diso lalana ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry filoha nasionalin’ny antoko TGV, faritany Antananarivo, sady governoran’ny faritra Anala­manga, Rasoamaromaka Hery, teny Antaninarenina, omaly, ny amin’ny Antenimi­eran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM), izay milaza hitarika vahoaka amin’ny fitokonana faobe ho amin’ny fitondrana Tetezamita ha­nanganana fanjakana tena malagasy. Tsy fidinana an-dalambe na fitokonambe na fananganana fitondrana Te­tezamita intsony izao ny lalana, fa izay hampandrosoana an’i Madagasikara. Ny zava-misy hatrehina amin’izao dia ny hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Eo koa ny fifidianana solombavambahoaka. Asaina mirotsa-kofidina sy mandrotsaka olon-kofidina amin’izany ry zareo, fa mbola vintana indray mandeha na mety ho voafidy amin’izany. Tsy ma­hazaka olona ry zareo, matoa tsy mahasarika olona amin’izay lazainy sy ataony. Manahirana ny mifandinika eto Madagasikara. Ma­nam­bara ny heviny ry zareo, fa aoka kosa ho ao anatin’ny fanajana lalàna. Aza mandika lalàna, fa misy ny sazy miandry raha vao mandeha amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: