Ho fampandrosoana ny zotram-pitateram-bahoaka ao amin’ny kaominina Soavina (Atsimondrano), hidinika miaraka ny mpitatitra sy ny mpitantana ny kaominina hametrahana ny lamina vaovao, anio, ao amin’ ny biraon’ny kaominina. Nanasa ny solontenan’ny mpanjifa ihany koa ny kaominina hanatrika ny fihaonana.
Foana ny filazana loza manambana ho an’ny fahabetsahan’ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, ho an’ny reniranon’i Sisaony, araka ny filazana nalefan’ny Apipa, omaly maraina. 1,95m ny haavon’i Sisaony eny Ampitatafika satria nidina ny rano tao anatin’ny 16 ora farany.
Nampiofanina momba ny fampiroboroboana ny fidiram-bola maharitra ireo vehivavy. Ny Orange Fondation sy ny Madagascar Women in action no mampiofana azy ireo, ka 30 isaky ny boriborintany no hofaninana. Mananontena avokoa ny 62%-n’ireo vehivavy eto Antananarivo Renivohitra ka mendrika izany tohana izany.
Ho tapaka ny lalana rahampitso manoloana ny parvis Analakely, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro. Misy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona ataon’ny Acecma eo an-toerana. Efa nahazo fahazoan-dalàna manokana izy ireo hanatanteraka izany hetsika izany eo an-toerana.