Kick Boxing: hivondrona ny ekipa nasionaly

Eo am-panomanana fifaninanana iraisam-pirenena, izay hatao ny 31 marsa izao, ny taranja kick boxing malagasy. Hahafahana miatrika izany, ao anatin’ny fepetra tsara, hiatrika fampivondronana ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Manomboka ny 10 febroary izao, ao amin’ny RKC Ivandry, izany fampivondronana izany, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny kick boxing. Sokajin-danja 51kg, 54kg, 57kg, 60kg, 63,5kg, 67kg no hanoman-tena hiatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ity, ny faran’ny volana marsa izao. Araka ny fantatra, eto Antananarivo no hanaovana io fifaninanana io raha tsy misy ny fiovana. Ny haiady “pancrace” sy kick boxing K1 rules no hifaninanana. Mbola andrasana kosa ny isan’ny firenena sy ny vahiny mpikatroka handray anjara. Miandrandra ny hibata fandresena maro ny ekipa malagasy mandritra ity fifaninanana iraisam-pirenena goavana ity.

Mi.Raz

Partager sur: