Hetsika maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny « Slam » no hotanterahina, anio sy rahampitso, eny anivon’ireo ivontoeran’ny kolontsaina. Anisan’ny ho hita amin’izany ny seho an-tsehatra, misokatra ho an’ny rehetra, eo koa ireo atrikasa. Na dia maro isan-karazany aza ny hetsika, tanjona ny hampivoarana sy hampandrosoana ny tontolon’ny “Slam” eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly.
Faran’ny herinandro miavaka ho an’ny mpankafy “Slam” ny manomboka anio noho ireo hetsika samihafa. Hanombohana izany ny “Slam à l’U”, tanterahina eny amin’ny Craam Ankatso, anio tolakandro. Fampisehoana handraisan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Ankatso anjara. Manaraka izany, ho an’ny andron’ny sabotsy 10 febroary 2024, ao amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely, hisy ny atrikasa mahakasika ny “Slam”, iarahana amin’ny ekipan’ny Madagaslam, ny tapany maraina. Resahina ao anatin’izany ny mahakasika ny famoronana sy ny fiatrehana sehatra ho an’ny mpiangaly ity taranja ity. Hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana eo amin’ireo mpiangaly “Slam”. Ny tolakandro, hisy ny seho an-tsehatra misokatra ho an’ny rehetra, ao amin’ny CGM Analakely ihany.
Efa tafaverina avokoa ny hetsika momba ny “Slam”, eny anivon’ireo ivontoerana ara-kolontsaina sy zavakanto. Tsy ny eto Antananarivo ihany anefa no ahitana izany fa hatrany amin’ny faritra. Antenaina, araka izany, ny hisian’ny fifaninanana nasionaly avolenta.
Lin