Misaona ny Rock malagasy: nodimandry i Andry Balafomanga

Mbola tsy afa-tsaona tamin’ny nahalasanan’i Delacre akory… Lasa omaly indray i Andry Balafomanga, anisan’ireo andrin’ny rock’n Roll teto Madagasikara.

Toy ny vara-datsaka ny vaovao omaly! Nodi­ma­ndry i Andry Balafo­ma­nga… “Vao maraimbe no tsy salama tampoka izy ka nentina hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy tonga tany”, hoy ny nampitain’ny fianakavian-dRakoto­zandry Andry, omaly. Tana­tin’ny hatairana narahina alahelo avokoa no nandraisan’ny fianakaviamben’ny rock’n Roll sy ny kanto Malagasy amin’ny ankapobeny ny vaovao, satria tsy heno narary i Andry Balafomanga. “Mbola nanao fety ho fifampiarahabana noho ny taom-baovao tany aminy izahay ny sabotsy teo”, hoy ny mpanakanto namany iray.
Ny taona 1983 no nanomboka niaka-tsehatra ity mpanakanto ity. Anisan’ireo tanora nilomano tao anatin’ny rivotry ny rock’n Roll, izay nahazo vahana maneran-tany tamin’izany fotoana izy. Tsy hira ihany fa dihy ihany koa, ary nikoizana tamin’ny fanambarana ny hira sy dihy rock’n Roll ry Andry sy ny namany. “Ny nahatonga ny hoe Balafomanga? Mangamanga ny akanjonay tamin’izany. “Mbala fô manga”, “mbala” nilazana ny “lamba” na ny akanjo. Taty aoriana tamin’ny andron’ny fandihizana dia nisy koa ny “bal afomanga”, ka nalaina tamin’io ny anaran’ny tarika”, hoy ny fitantaran’i Andry Balafomanga, tanatin’ireo fandaharana manokana tamin’ny haino aman-jery.
Mpamoron-kira, mpihira, mpamerina hira fa indrindra indrindra, mpandihy sy mpampianatra dihy no tena nampalaza an’i Andry Balafomanga. Maro ireo nianatra dihy mihaja taminy, ankoatra ny rock acrobatique izay tena talentany. Nandresy tamin’ny fifaninanana dihy maro rahateo, na izy na ny mpianany . “tena nanana fiainana nilamina, nitaiza vatana”, hoy ny filazan’i Rossy azy. Teo amin’ny hira, nahafantarana azy ny hoe “Rock malgache de 3 h du temps”, seho adiny telo tsy ankiato, mihira sy mandihy. “Inona no jerijerena?”, “Rakakabe”, “Tena iz’lay”, “Jono Botry”, sns, hira nahafantarana azy avokoa. Mpitarika antoko mpihira ihany koa i Andry Balafomanga.

Zo ny Aina

Partager sur: