Niaiky ny helony ireo jiolahy! Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Arivonimamo rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo 13 lahy tompon’antoka tamina fanafihana narahina fanolanana tao Arivonimamo, ny faran’ ny volana janoary lasa teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao an-tanànan’i Tsaontsaona, fokontany Ambohitrandraina, kaominina Ambohimandry, distrikan’Arivonimamo, tamin’ io fotoana io. Tsy vitan’ny nanafika no nataon’ireo olon-dratsy fa nanolana ankizy tao amin’ilay tokantrano ihany koa. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo. Raikitra ny hazalambo ka niafara tamin’ny fahatrarana ireto 13 lahy voarohirohy ireto. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny zandary fa monina ao amin’ny kaominina Ambohimandry sy Imerintsiatosika avokoa ry zalahy ireto, saingy tonga manao asa ratsy any Arivonimamo. Hita tao an-trano, nandritra ny fisavana ny trano, ny fitaovana samihafa toy ny antsy sy akanjo nanavaon’izy ireo ny fanafihana. Mbola nahitana ra ny akanjo sasany ka tsy afa-nihetsika intsony ry zalahy. Tafaporitsaka ny jiolahy roa mipetraka ao Anjanamahazo, kaominina Ambohimandry, ka eo am-pikarohana azy ireo ny zandary. Rangahibe efa 66 taona ny zokiny indrindra amin’ireto jiolahy ireto. Samy niaiky izy ireo nandritra ny famotorana fa tena nandray anjara avokoa tamin’ izao fanafihana narahina fanolanana izao.
J.C