Notorian’ny fibaikoana : Kolonely roa nahazo sazy roa taona

Nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona 2 taona an-tranomaizina ireo kolonely roa eo anivon’ny Foloalindahy voarohirohy tamina raharaha fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena mialoha ny fotoana nanatanterahana fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana manenjika ireto manamboninahitra ambony ireto. Ny 16 janoary 2024 teo no notsaraina teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ny raharaha anenjehana azy ireo. Mialoha izao, notazonina vonjimaika teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izy ireo. Ny tapaky ny volana novambra mialoha ny fifidianana filoham-pirenena no nampanantsoina teny anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (Secres). Nanamafy rahateo ny lehiben’ity Secres, ny Kly Ravelomanana Tahina, fa ny fibaikoana teo anivon’ny Tafika Malagasy no nametraka fitoriana tao amin’ny zandary momba ny raharaha anenjehana ireo kolonely ireo. Fantatra fa voampanga ho nanomana fanakorontanana satria efa nanangona miaramila hiara-dia amin’izy ireo. Nisy koa ny fizaram-bola teo anivon’ny miaramila. Nangataka ny hampiharana ny lalàna amin’ireto mpitandro filaminana ireto ny tonia mpampanoa lalàna.

Tsiferana R.

Partager sur: