Ny maha Malagasy: mila maka fototra vao mandroso

Raha ny filaharana navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy ahatazanana loatra izany atao hoe « fandrosoana » izany ny sehatra tsirairay eto Madagasikara. Osa, malemy, marefo, farany, gisitra… Hisokajiana ity Nosy ity avokoa ireo. Misy antony mahatonga io tsy fandrosoana io.

Tsy manaiky gisitra ! Araka ny mari-pandrefesana iraisam-pirenena, laharana faramparany maneran-tany i Madagasikara, raha mitaha amin’ny firenena hafa. Mahantra farahidiny ny ankamaroan’ny mponina ao aminy, araka io fampahafantarana io hatrany. Maro ny kajikajy rehetra mety niteraka izany. Toekarena, politika, sosialy, sns, voaray ao avokoa. Tsy mba voaresaka loatra ny fahamaizan’ny Malagasy handroso…
« Enjehina » ireo rehetra eritreretin’ny saina fa fandrosoana. Savihina haingana ny fanaon’ny hafa any ivelany any sao tratra aoriana « hono ». Manao hazakazaka mafy fa te handroso. Maneho fahakingana amin’ny fakana tahaka amin’ny any ivelany. Izay misy any, saika ianarana sy ampiharina eto avokoa. Malaza any Etazonia sy any Eoropa ny pataloha rovitra (na ny manao pataloha rovitra), roboka avy hatrany ny tanora malagasy.
Iharan’io tranga io avokoa ny fiainan’ny Malagasy ankapobeny. Anisan’izany ny fomba fisainana, fiteny, fihetsika, sns.
… Kanefa tsy misy fototra iaingana

Kisarintsarim-pahalalana. Ambilombazam-pahendrena… Tafaray samy manidintsidina fotsiny! Fa maninona ny tanora (mazàna tovolahy) ao Eoropa no manao pataloha miborotsaka ? Tsy fantatra ny antony fa dia atao fotsiny aloa ! Fa maninona no matanjaka be any ivelany ny mozika mitsambikimbikina miaraka amin’ny iô, iô ? Tsy fantatra izay antony fa izany no malaza ka andao atao ! Hofaina isaky ny « m2 » ny velaran’ny efitrano fonenana any ampitan-dranomasina. Mba avy ihany koa Ramalagasy sy ny hala-tahaka fanaony : « ny ahy io isaky ny « m2 » no hanofana azy » !
Raha mbola mahazo vahana eo amin’ny Malagasy ny fitiavana hazakazaka, fanenjehana ny hafa, fakan-tahaka be fahatany, sns. tsy hahita ny tena fandrosoana marina i Madagasikara. Variana sy lany hery eny am-pihazakazahana fotsiny.
Mila mitady ireo fototra maha izy azy ny Malagasy (tany, teny, fomba, finoana, fanao…). Ireny no fantarina tsara iainana. Avy amin’ireny ihany no hanaingana ny fandrosoana. Lalan-tokana tsy misy (sady tsy mitaky rahateo) kajikajy politika io. Tsy ilaina mari-pahaizana manaka-danitra, fa ezaka ataon’ny tsirairay isaky ny sehatra misy azy!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: