Hotanterahina manomboka amin’ny faran’ny herinandro ho avy io ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Mialoha izany, nisy, omaly, ny fivoriana nataon’ny fikambanana CFEM, izay tarihin-dRakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny CFEM, teny Andoharanofotsy.
Niresaka mahakasika ny fifindran’ireo mpilalao sy ny fanolorana ny baolina izay holalaovina mandritra ny fifanintsanana no anton’izany. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanaovana ny resaka rehetra teny an-toerana. Marihina fa tonga tao avokoa ireo filohana klioba miisa 16 mandray anjara amin’ny PFL.
Nomarihin’ny filohan’ny CFEM fa tsy fanapahan-kevitr’izy ireo no nampihintsana ny Jet Kintana Itasy sy ny Tia Kitra FC Toamasina. “Ny komity mpanatanteraka tao amin’ny Federasiona malagasin’ny Boalina kitra (FMF) no nanapa-kevitra fa milatsaka ireo klioba roa ireo”, hoy ny lehiben’ny CFEM. Nilaza ny filoha Tôta, fa hosazian’ny FMF izay klioba manao “forfait” amin’ity taom-pilalaovana ity. Tsiahivina fa miara-miasa akaiky amin’ity federasiona vaovao ity ny CFEM. Ny zoma 2 febroary lasa teo, teny Ivandry, nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana vaovao teo amin’ny roa tonta.
Fitia Randria