Solohoho : manome endrika ny tanana nefa manimba fahasalamana ihany koa

Lasa lamaody an­kehitriny ny fana­ovana solohoho na “faux ongles”. Manome endrika ny tanana ary te­na manintona ny ankamaroan’ny vehivavy. Misy iha­ny koa ny loza ara-pahasalamana azo avy amin’ny fampiasana azy, noho ireo akora ampiasaina aminy.

Nalaza tamin’ny taonjato faha-20 ny solohoho. Niseho tany Etazonia izy io taorian’ny ady lehibe faharoa. Natokana ho an’ny vehivavy manan-karena in­drindra izy io tany amin’ny firenena hafa tamin’izany fotoana izany. Niitatra tany Eoropa sy ny firenena maro izany avy eo ary tonga teto Madagasikara. Ahitana faritra be mpanao azy io indrindra ny eto An­ta­nanarivo. Ny vehivavy eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 40 taona eo ny salanisa tena manjifa ny vokatra amin’ny ankapobeny. Tena mampiakatra ny tahan’ny olona manjifa izany, ny vanim-potoanan’ny fety, raha ny fanazavan’ny mpivarotra, nanaovana fanadihadiana. Maro, araka izany, ny olona mivelona sy manao io asa fametahana solohoho io eto an-toerana. Ankoatra ny vehivavy, manatanteraka iza­ny ihany koa ny lehilahy. Izay tena mahasarika ny mpanjifa aza, raha ny fanadihadiana natao. “Mahay kokoa ny asa natokana ho ataon’ny vehivavy ny lehilahy ary afapo tanteraka rehefa izy ireo ny misehatra sy manao ny asa”, hoy Ranoromalala Sidonie, vehivavy nanontaniana. Mano­didina ny 10 mahery isan’andro ny vehivavy mikarakara hoho sy manao solohoho eny amin’ny mpanao izany. Ahi­tana mpanao izany avokoa na anaty botika na eny amin’ny sisin-dalana maro eto an-dRenivohitra. Toy ny etsy Analakely, Anosy, Anosibe, Isotry…
Manintona vehivavy maro ny solohoho. Mba te hanome endrika ny hoho izay hananana sy te ho lava hoho ny antony mahatonga azy ireo hanao izany. Vahaolana amin’ny fiandrasana ny fanirin’ny hoho voajanahary izy io. Ilaina amin’ny fisaronana ny hoho simba na marefo ihany koa. “Mba mahafinaritra ny maso sy lasa toy ny manala ny havizanana sy ny adin-tsaina ny mahita ny solohoho ka antony nahasarika ahy hanao azy », hoy Rakotondratovo Onja, tovovavy nanontaniana. Nilaza izy fa amin’ny maha vehivavy ny tena dia mba mila jejojejo, tafiditra ao anatin’izay ny fanaovana solohoho. Nohamafisiny fa tsy manao izany matetika izy fa rehefa fotoan-dehibe sy manokana ihany. Toy ny mariazy, vodiondry, fetim-pianakaviana…Matetika ireo manana hoho fohy, misy rambony mitsiry amin’ny sisiny, ireo tsy manam-potoana handoko sy hikarakana hoho isan’andro, ary ny te hanana hoho tsara sy manana endrika ny tena voasarika amin’ny fanaovana solohoho, raha ny fanadihadiana natao hatrany.

5 000 hatramin’ny 25 000 Ar ny fametahana solohoho

Misy karazany maro ny solohoho hita eny an-tsena. Toy ny  ongles en gel , ny vita amin’ny  résine , ary ny vita amin’ny acrylique, vita amin’ny plastika… Ahitana ny hoho lava sy fohy ary miaraka amin’ny haingo sy vernis isan-karazany izany. Misy endriny boribory, efamira, mitsivalana ihany koa. Amin’ny ankapobeny, manodidina ny 5 000 hatramin’ny 25 000 Ar ny saran’ny fanaovana izany. Anisan’ny mahalafo izany tsy toy ny fanaovana vernis tsotra ny fotoana lany hikojakojana azy. Maharitra adiny iray sy sasany ny fanesorana ny solohoho. Raha toa ka manodidina ny 30mn ny famerenena ny hoho amin’ny laoniny sy ara-boajanahary. Amin’ny ankapobeny, maharitra herinandro hatramin’ny roa herinandro ny solohoho mipetaka amin’ny tanana raha tsara kalitao.

????????????????????????????????????

Tsy azo atao ho an’ny latsaky ny 16 taona

Tsy azon’ny tovovavy latsaky ny 16 taona atao ny mametaka ny solohoho, raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana. Mbola marefo ny hohon’ireo tovovavy ireo ka mety tsy hahazaka ny akora fampiasa amin’izany. Mety hanimba ny hoho ara-boajanahary eo aminy izany. Manify ny hoho ho an’ny zaza latsaky ny 16 taona. Vao mainka hihamalemy izany noho ny akora sasany ampiasaina amin’ny fametahana ny solohoho.

Indrindra fa ireo akora misy asidra.
Manimba ny fahasalaman’ny hoho ara-boajanahary ny fanaovana solohoho matetika, araka ny fandinihan’ny manam-pahaizana. Antony mahatonga izany, ny fampiasana lakaoly amin’ny fametahana azy. Eo koa ny fampiasana ny ultra-violet (UV) amin’ny fanamainana izany. Manakana ny hoho tsy hifoka rivotra ary mety hitarika any amin’ny aretina hafa eo amin’ny vatan’ny olombelona ihany koa izy io. Mety hiteraka areti-mifindra na holatra eo amin’ny tanana ny fampiasana fitaovana tsy voadio. Mety tsy hahazaka ny vokatra ampiasaina. Mety ho voan’ny aretina (mycose) ihany koa ny hoho. Mivadika mavo na maitso ary mihintsana ny hoho voajanahary. Nampitandrina ny amin’ny loza ateraky ny tsy fahazakana ny akora fampiasa amin’ny solohoho, ny Agence nationale de sécurité du médicament (ANSM) tamin’ny 2016.

Nanatontosa : Mino
Sary: Fanou

Partager sur: