SOMBIM-BAOVAO

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena baolina kitra sy basikety ary “maillots”, ireo tanora mpanao fanatanjahantena ao amin’ny distrikan’i Mahabo. Nahazo solosaina sy imprimante ary “box internet” ihany koa ny CEG ao an-toerana. Marihina fa miezaka hampivoatra ny tanora eto amintsika ny MJS.

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana “Judo Cup Gasy”. Fifaninanana hotanterahina mandritra ny RNS (Rencontre nationale sportive” hatao any Vichy, ny 30 marsa ho avy izao. Sokajy 16 taona no miakatra no afaka mandray anjara amin’ity.

Tafita amin’ny lalao famaranan’ny “Can 2023”, ny ekipam-pirenen’i Côte d’Ivoire, taranja baolina kitra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i RD Congo, ny alarobia lasa teo. Marihina fa ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, mpampiantrano dia anisan’ireo ekipa tafavoaka tamin’ny “meilleur 3ème”.

Afaka efatr’andro, hanomboka ny lalao ampahavalon-dalan’ny fifaninanana “Ligue des Cham­pions 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonana eo amin’ny Real Madrid, Espagne sy ny RB Leipzig, Allemagne. Aorian’io, hifanandrina amin’ny Real Sociedad, Espagne, ny Paris Saint Germain, France.

Partager sur: