Nahafantarana azy hatramin’ny fotoana nandehanany ny “Tsiaro an’i Jerôme Randria”… Anjaran-dRailôla indray izao no hanokanan’ny zanany sy ireo indray nihira taminy fotoana manokana. Hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny fahatsiarovana an-tsehatra an’ity mpanakanto ity. “Tamberina sy tsiahy”, toy ny anaran’ireo andiam-pampisehoana notontosainy fahavelony ihany no natao ho lohahevitra amin’ity. Hitarika ny ekipa kosa i Thony Chriss, zanany. Ny tarika Railôla hatrany kosa no hifanotrona aminy, mandritra izany.
Mazava loatra fa hiompana manontolo amin’ireo sanganasan’i Jerôme Randria ny hira alahatra. Ny ankamaroan’ izay hira nentiny tao amin’ny tarika Railovy ihany koa. Toerana niseharan-dRailôla matetika, ka mitahiry fahatsiarovana ho an’ireo mpankafy sy akaiky azy rahateo ny etsy amin’ny CCEsca Antanimena.
Zo ny Aina