Mitohy hatrany ny lalan’ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “J200 Cairo”, amin’ny lalao ho an’olon-tokana, sokajy vehivavy. Anisan’ireo efatra voalohany amin’ity fifanintsanana ity i Voavy Mitia.
Notanterahina omaly ny lalao ampahefa-dalan’ ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay hatao any le Caire Egypte. Tafakatra amin’ ny manasa-dalana ilay Malagasy vehivavy mpilalao tenisy, i Andraina Voavy Mitia. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 1 (6,3/3,6/ 6,4) ilay teratany tonizianina, Ranim Rassil, sokajin-dalao ho an’olon-tokana
Talohan’io, ny alarobia lasa teo, resin’i Mitia Voavy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,3/6,0) ilay marokanina, Nour El Ouazzani, nandritra ny dingana faharoan’ny fifanintsanana. Lavon’ity Malagasy mpilalao ity, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/7,6) i Africa Burillo Berezak, teratany espaniola, nandritra ny dingana voalohany.
Ankoatra izay, resy teo amin’ny dingana voalohany avokoa ny solontenan’i Madagasikara amin’ny lalao ho an’ olon-droa, lahy sy vavy, ny talata lasa teo. Resin-dry Burillo Berezak, teratany espaniola sy i Nour El Ouazzani, Maroc, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,3/6,3) ry Harena Voaviandraina sy Mitia Voavy, sokajy vehivavy. Niondrika teo anatrehan-dry Francky Martial Hoimian, Côte d’Ivoire sy i Rushil Seewoosurrun, Maurice, tamin’ny seta 2 no ho 1 ry Andriantefihasina Mirija sy Rakotomalala Mahefa Anthony, sokajy lehilahy.
Tsara ny mampahafantatra fa i Voavy Mitia, anisan’ireo mpilalao nitondra avo ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, nandritra ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika, ny taona 2023 lasa teo.
Fitia Randria