Azo ahena 15 andro ny fanaovana tolobidy amin’ny tsenan’asam-panjakana. Tokony ho 30 andro io fe-potoana io, saingy misy ny andinin-dalàna mamaritra io fampihenana io, fa tsy maintsy ankatoavin’ny filankevitry ny minisitra kosa anefa. Anisan’ny antony hanaovana izany ny tranga amin’ny fanaovana asa maika noho ny hamehana.
Bankin-tsakafo miisa 10 no hapetraka any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Hanampy ara-tsakafo mivantana ny mponina ireo toby ireo, ka ao anatin’izany ny fanomezana sakafo any an-tsekoly. Manohana ity tetikasa ity ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ara-tsakafo (Pam), miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Efa naharitra 200 taona izao ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny fanjakana britanika. Nohamafisina izany nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Tontolo iainana malagasy, i Fontaine Max, sy ny minisitra anglisy miahy ny tontolo iainana, Rtoa Rebecca Pow, nandritra ny Festival des Orchidées, natao tany Londres, tamin’ity herinandro ity.
Miisa 114 ny olona nanaraka fiofanana fiompiana trondro, ny 8 febroary teo, tany Anjiro, distrika Moramanga. Nifantohana ny fiompiana trondro an-dobo, an-tanimbary, ivelan’ny tany, ny sakafo, ny fanomanana ny renin-trondro sy ny fampanatodizana, sns. Nampiavaka ny mpiofana ny hamaroan’ny renim-pianakaviana.