Tsy nitsahatra ny rotsakorana tato anatin’ny herinandro izay. Nitarika fahavoazana maro teo amin’ny fotodrafitrasa sy ny mponina izany, indrindra ireo manamorona ny renirano. Vokany, trano roa nirodana tao amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny zava-misy. nandritra izany, nafindra toerana avy hatrany ao amin’ny Tranompokonolona Mandrosoa ireo traboina. Fantatra fa fianakaviana efatra, ahitana olona 17 eo ho eo izy ireo. Tanjona ny hiarovana sy ho fandraisana an-tanana azy ireo, araka ny tatitry ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina, BNGRC.
Ankoatra izay, tandindonin-doza ihany koa ny olona 23 avy amin’ny fianakaviana enina eny an-toerana. Efa atahorana ny trano fonenan’izy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. Efa nisy, araka izany, ny fanentanan’ny sefo fokontany sy ny zandary azy ireo mba hiala avy hatrany amin’ny tranony, hisorohana ny loza hafa mety hitranga.
Mino