Eny amin’ny fokontany Androndrakely indray ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ho an’ny boriborintany faharoa, amin’io herinandro io.
Ny 13 hatramin’ny 16 febroary no hanatanterahina izany eny an-toerana. Tsy miova ny tolotra fa toy ny efa nisitrahan’ireo teny amin’ny boriborintany hafa ihany.
Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy ny fitsapana tosidra sy ny fitiliana diabeta. Manampy izany ny fitiliana ny raboka. Raha toa ka misy kohaka mitarazoka dia afaka entina eny hotilina.
Tsy diso anjara ireo zaza amin’ny fanaraha-maso ny lanjany sy ny torohevitra ara-tsakafo. Misy ihany koa ny fizahana maso maimaimpoana. Ny fanaovana vaksiny covid19 miaraka amin’ny fanazavana sy torohevitra mahakasika izany.
Ankoatra ireo, hita eny koa ny fandrindram-piterahana ho an’ny renim-pianakaviana, fitiliana ny tsimokaretina VIH/ Sida.
Tatiana A