Boriborintany III: mpivarotra hani-masaka 200 nofanina

Miisa 200 ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny boriborintany III nampianarina sy nentanina. Nisy ny fizarana “certificat d’immatriculation” maimaimpoana, tamin’ity herinandro ity.
Kendrena mba ho sakafo madio sy ara-pahasalamana no hamidin’izy ireo amin’ny mpanjifa. Tanjona ny tsy hisian’ny fanapoizinana ara-tsakafo sy aretina avy amin’ny alalan’ireo mpivarotra hani-masaka.
Hitohy amin’ny fanaraha-maso sy fitsirihana matetika ny kaominina, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka, hijery ny kalitaon’ny sakafo hamidy eny amin’ireo hotely sy gargoty nomena fiofanana.
Hihatra avy hatrany amin’ireo mpivarotra hani-masaka ny sazy ho an’ny tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny fenitry ny fahadiovana. Voalaza rahateo ao anatin’ny fehezam-pitsipika ho an’ny fikoloam-pahasalamana ny sazy mahakasika izany.
Hitohy manerana ny boriborintany ny fanofanana ireo mpivarotra hani-masaka mba hisian’ny kalitao ara-pahasalamana ny sakafo atolotra ny mpanjifa sy ho fiarovana ny ain’izy ireny.

Tatiana A

Partager sur: