Canal plus : fifaninanana sarimihetsika ho an’ny vehivavy

Nisokatra omaly, ny antso fahavononana hanolotra tetikasa famoronana sarimihe­tsika, tohanan’ny vondrona televiziona Canal+ Madaga­sikara. Fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, mpilalao ary mpamokatra, ka maharitra 1 minitra hatramin’ny 45 minitra ny faharetany izy ity. Ha­voaka ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ireo horonantsary, ao amin’ny efitrano Canal Olympia, mandritra ny iray volan’ny vehivavy. Hatolotra amin’ireo fotoana ireo ny loka telo voalohany, ny « La Tresse d’or », ny « La Tresse d’argent » ary ny loka ho an’ny mpitsara « Somala ».

Hisy atrikasa miisa enina ihany koa mandritra ireo roa andro ireo, ka anisan’ny lohahevitra hanaovana velakevitra, ny indostrian’ny sinemà, ny horonantsary fanadihadiana, ny famoronan’ny eritreritra (fiction) sy ny fanafanana he­tsika.
Tsy misy ny indostrian’ny sinemà

Nambaran’ny tomponandraikitry ny Canal+ Madaga­sikara, fa tsy mbola tafape­traka eto amintsika ny indostrian’ny sinemà, ka izay no anisan’ny hanohanana ity he­tsika ity, hanomezan-danja ny famokarana eto an-toerana, amin’ny maha vondrona orinasa iraisam- pirenena azy.

Miaraka mikarakara ity fifaninanana mamorona sarimihetsika ity, ramatoa isany, Andriamanantany Ony sy Andriamanantsoa Koloina. Malagasy sady mpamokatra sarimihetsika, mpilalao ary mpanatontosa sarimihetsika izy roa vavy ireo.

Njaka A.

Partager sur: