Dr Ratrema Lala : Mitondra fanazavana medikaly momba ny famosirana

Lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza ka tafiditra ao ny famosirana amin’ny fanafody sy amin’ny alalan’ny fandidiana ireo nanao izany. Mitondra fanazavana ara-pitsaboana momba ny famosirana roa voalaza ny dokotera Ratrema Lala Andriatiana, mpitsabo manana ny DES en échographie sady mpahay lalàna.

Gazety taratra (*): Inona ny famaritana ny famosirana amin’ny fanafody?
Dr Ratrema Lala (-): Tanjon’ny lalàna ny hampihena ny fitsiriritan’ny olona iray hanolana zaza satria aretina ny fitsiriritana ka misy fitsaboana telo karazana. Fandraisana ara-tsaina, fampiasana fanafody ary ny fanalana ny vihy (ka ilay mpanolana no mangataka ny hanesorana izany amin’ny vatany toy ny tranga any amin’ny firenena vahiny maro). Ho an’ny fampiasana fanafody, misy ny fitsaboana amin’ny fanafody manohitra ilay hormone LHRH. Eo koa ny fanafody manohitra ny androgène. Tsy maintsy atao miaraka ireo fitsaboana roa ireo ka mitentina 300 ka hatramin’ny 400 euros ny vidin’ny fatra iray, ary mila atao isaky ny telo volana ho an’ilay olona. Anisan’ny fomba iray entina mitsabo ny vehivavy tsy mety miteraka vokatry ny fiakaran’ ny androgène ao anatiny koa izany.
*Ary momba ny fitsaboana amin’ny fandidiana?
– Mizara roa izany. Misy fonony (pulpe) ny vihy roa eo amin’ny filahiana. Ao anatin’ny pulpe no misy ny lalandra ka rehefa esorina ny “pulpe”, tsy afaka mandalo amin’ny lalandra intsony ny tsiranoka (hormone), izay no antsoina hoe pulpectomie. Ny hormone dia tsiranoka foronin’ny vatan’olombelona ary alefany amin’ny lalandra ary miasa amin’ny toerana lavitra (hatrany amin’ny atidoha) na akaikin’ilay mpamokatra azy. Faharoa ny fanesorana tanteraka ny vihy roa fa ilay fonony (pulpe) mbola avela eo na tsia ka orchidectomie no fiantso ity karazana fandidiana ity.

*Ho an’ny fitsaboana amin’ny fanafody, mety hiteraka fahafatesana ve ny fahadisoan’ny fatra hatsindrona?
– Tsy miteraka fahafatesana ny “hormone” diso fatra lasa any anaty vatana fa mitarika fikorontanana kosa ho an’ilay vatana.

*Misy eto amintsika ve ny fanafody fanaovana famosirana?
– Manana ny fanafody azo ampiasaina amin’izany isika eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: