Famosirana : fihemorana ho an’ny mpahay lalàna

Fihemorana ity lalàna vaovao vao lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta momba ny famaizana ny olona nanolana zaza tsy ampy taona (amin’ny alalan’ny famosirana miaraka amin’ny fanafody na fandidiana) ity, raha jerena araka ny lalàna famaizana malagasy. Io ny hevitry ny olona mpahay lalàna iray izay nangataka ny tsy ho tononona anarana, noho ny fanajana ny rafitra an-tanantohatra amin’ny asany.
Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana malagasy rahateo ity lalàna ity. Lalàmpanorenana izay manambara fa tsy azo atao ny manao sazy famaizana mifandraika mivantana amin’ny vatan’olombelona. Sazy tsy azo iverenana intsony rehefa nampiharina, tena mifanohitra amin’ny lalantsaina mety hanomezana fanalefahan-tsazy na famelan-keloka ary ny fanomezana fahafahana misy fepetra… ho an’ny olona voaheloka iray.
Maneho fanavakavahana ihany koa io lalàna io satria ny lehilahy mpanolana ihany no voalaza ao anatiny nefa mety ho vehivavy ihany koa nampanao ny heloka, araka ny lalàna famaizana eto amintsika. Raha izay no mitranga, ho sahirana ny mpitsara noho ny tsy fahafenoan’ny lalàna misy.
Any Eoropa, fepetra ampiharina amin’ilay olona voarohirohy ho nanolana, mandra-pahavitan’ny dingana rehetra hatramin’ny fivoahan’ny didim-pitsarana manameloka azy, ny fanavosirana amin’ny fanafody, ho azo anoloana ny fitazonana am-ponja vonjimaika. Eto amintsika anefa natao ho sazy famaizana mihitsy ilay famosirana. Tsy mbola voafaritry ny lalàna koa ny mpitsabo hisahana ny fanatanterahana ilay sazy famaizana.

Randria

Partager sur: