Fanampian’i Japon : vita ny tetezan’i Mangoro (RN2)

Nitarika ny fitokanana ny tetezana roa vaovao, omaly, any amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), ny filoha Rajoelina. Fotodrafitrasa vita amin’ny « béton », azon’ny fiara roa ifanenana, mirefy 102 m ny iray, tetezan’i Mangoro, raha 30 metatra ny faharoa, any Antsampazana ary samy 7 m ny sakany. Fanomezana avy amin’ny governemanta japoney, tamin’ny alalan’ny Ticad 7, ny nanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo, mitentina 2 596 000 000 Yen japoney, na 80 miliara Ar.
Fenitra avo lenta no nanaovana ny asa. Mirefy 700 metatra ny lalana fidirana ao amin’ny tetezan’i Mangoro, ahitana tevana natao rarivato, manana haavo 4,5 m hatramin’ny 7,5 m. Mirefy 1,5 m ny sisin’ny arabe amin’ny andaniny roa.
Nanotrona ny fitokanana, ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, ny masoivoho japoney, Abé Koji, ny solontena maharitry ny Jica eto amintsika, Tanaka Kaori, ny solontenan’ny orinasa Chodai sy ny CTII Engineering international, ny Daiho ary ny Konoike.
Marihina fa notazonina eo ihany ny tetezana ho an’ny zotra an-dalamby any Mangoro.

Njaka A.

Partager sur: