Tanterahina anio sy rahampitso, eny eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Ambohidratrimo, ny “Festival Fanorona” andiany voalohany. Ho hita, mandritra izany, ny fifaninanana fanorona sy velakevitra manodidina izany. Hisy ihany koa ny tranoheva sy fampirantiana mahakasika ity kilalaon-tsaina malagasy ity. Mbola hisy ny hetsika maro samihafa entina mandravaka ity hetsika ity, ankoatra ireo. Efa vonona tanteraka ny mpikarakara sy ny toerana. Tanjona ny hampiroborobo sy hampahafantatra ny fanorona sy ny manodidina azy, indrindra ho an’ny tanora sy ny ankizy.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpankafy fanorona ny anio sy rahampitso. Anio, hisy ny fifaninanana andraisan’ny kaominina ao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo anjara. Vola mitentina 3 hetsy Ar no ho azon’ny voalohany amin’ny fifaninanana, miampy loka maro samihafa. Ny tolakandro, hisy ny velakevitra hiarahana amin’i Vona Kiady Tahiry, momba ny “Ny Kabary sy ny teti-panorona”, tohizan-dRanjatohery Harilala, hiresahany ny “Ny foto-pisainana malagasy milafika amin’ny fanorona”. Eo ihany koa ny an’i Harinantenaina Mathias, miresaka ny “Fifandraisan’ny fanorona, fanandroana sy ny Sikidy”. Mamarana izany ny an’i Zamabe, miresaka ny “Teknikam-pilalaovana fanorona”.
Ankoatra ireo, hisy ny dinika ho famerenan-kasina ny Rovan’Ambohidratrimo. Ny andron’ny alahady, hisy ny fampisehoana iarahana amin’ ny Malagasy mpahay kanto, mpihira, maro samihafa toa an’i Doubl’enn, Eklyps …
Lin