Manohana ireo fandaharanasam-panjakana ny Unicef. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona.
Anisan’ny iray amin’ireo andry telo lehiben’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana na ny Politique générale de l’Etat (PGE), amin’ izao fe-potoam-piasana vaovaon’ny filohan’ny Repoblika izao izany. Nivoitra izany tamin’ ny fihaonan’ny solontena maharitry ny Unicef vaovao eto Madagasikara, i Christine Jaulmes, tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian lehiben’ ny governemanta, teny amin’ ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly.
Ady atao amin’ny «choléra»
Ankoatra izany, voaresaky ny roa tonta koa ny fisian’ny fandaharanasa vaovao tanterahin’ny Unicef eto Madagasikara amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Anisan’ny hojerena amin’izany, ohatra, ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny fiainan’ ny ankizy. Eo ihany koa ny momba ny ankizivavy izay anisan’ireo sokajiana ho marefo eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny fitondram-panjakana malagasy ny Unicef amin’ny sehatra maro samihafa. Toy izany, ohatra,
ny eo amin’ny sehatry ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fandrindram-piterahana,
ny fanabeazana, ny rano, ny fahadiovana sy fidiovana, ny vaksiny ho an’ny zaza, ny ady atao amin’ny “choléra” ary ny fiahiana ara-tsosialy…
R. Nd.