Harena an-kibon’ny tany : nahazo loka iraisam-pirenena telo ny Base Resources

Orinasa renin’ny Base Toliara ny Base Resources. Nisongadina ny fahaiza-mitantana, ka nahazoany loka iraisam-pirenena miisa telo, nokarakarain’ny hetsika “Mining Indaba”, farany teo.

Nahita vokatra tsara ny Base Resources, orinasa renin’ny Base Toliara. Miisa telo ny loka iraisam-pirenena azony tamin’ireo loka sivy nozaraina, nandritra ny hetsika « Res­pon­sable resourcing Awards 2024 » tamin’ny hetsika “Sa­lon Mining Indaba”, farany teo. Mahakasika ny fitantanana mangarahara ny orinasa ny loka voalohany, ny loka toekarena ho an’ny mponina eny ifotony miteraka fampandrosoana ny faharoa ary ny fomba fiasa ankapobeny tonga lafatra ny fahatelo.

Hentitra ny sivana nataon’ny mpitsara ho an’ireo orinasa misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany. Toy ny fijerena ny lafiny fitantanana maharitra ny harena ambanin’ny tany, ny tetikasa manokana mitsinjo ny tontolo iainana, ny sosialin’ny fitantanana (ESG) mahomby, izay singa hanombanana ny hisian’ny fampandrosoana maharitra.

Anisan’ny nifantohan’ny Base Resources ny fanomezan-danja ny tontolo iainana, mitsinjo ny mponina eny ifotony tena marefo, indrindra ny vehivavy ary ny fambolen-kazo ho famerenana ny ala. Nilaza Rtoa Georgina Jones, tomponandraikitry ny fampandrosoana maharitra ao amin’ity orinasa ity, fa « nisy vokatra ny ezaka nataonay matoa nahazo ny loka ho an’ny asa sy ny mangaraharaha ary ny tamberin’izany any amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra aminay any Kenya sy ny mpiasa. Midika izany fa miasa tsara izahay ary tsapan’ny rehetra ny fisianay».
Mitsinjo ny eny ifotony ny Base Toliara
Ho an’ny loka mahakasika ny mangarahara amin’ny fom­ba fiasa, nohamafisin-dRtoa Georgina Jones, fa mihatra any amin’ireo toeram-pitrandrahana rehetra, ary anisan’izany ny Base Toliara. Toy, ny drafitrasa ho an’ny tontolo iainana sy ny sosialy, ny fitsinjovana ny mponina eny ifotony. Efa nozaraina any amin’ireo tomponandraikitra any an-toerana io drafitrasa io.
Tsiahivina fa manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana sy fahazoan-dalana mitrandraka efa nankatoavina ny Base Toliara. Izany hoe, afaka miverina miasa avy hatrany mifanaraka amin’ny lalàna malagasy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: