Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany…
Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao amin’ny fokontany Analankininina Hopitalibe, parisela 12/21-22, mpiasa eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana « DREN » Atsinanana no maty namono tena, ny alatsinainy alina teo. Fantatra fa resaka trosa amina banky no antony nahatonga azy hamono tena. Raim-pianakaviana mpanao bizina fiara sady mampindram-bola aman’olona koa izy. Mindram-bola amin’ny banky izy ka mbola mampindram-bola amin’olona hafa indray. Tsy nandoa ny volany anefa ny ankamaroan’ireo olona nampindraminy vola. Faharoa ny talata teo, tao amin’io fokontany io ihany fa « carreaux 6 », raim-pianakaviana mpanarato, niaraka nisotrosotro tamin’ny namany izy tamin’io talata maraina io.
Heverim-badiny fa nampirafy
Nahatsiaro tena ho fanina izy ka natoritory teo ambany hazo maniry. Hatairana ny an’ny olona nahita azy tsy nihetsika intsony. Mivonto ny vavany sady feno faroratra. Tombanan’ny mpitsabo ho voapoizina izy. Ahina ho namono tena ihany koa anefa izy satria nisaraham-badiny ka mipetra-drery. Resaka fampirafesana indray kosa no nitarika ity raim-pianakaviana fahatelo hamono tena tao amin’ny fokontany Mangarano, Parisela 11/46, ny talata teo ihany. Nilaza ny vadiny fa miandry tranon’olona izy. Tamin’ny fotoana nandalovan-drangahy vadiny, nisy olona nifampiresaka taminy tamin’ny finday ka nahatonga azy niahiahy ho nampirafy azy ny vadiny. Ny fatiny sisa no hitam-badiny.
Sajo