SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny an­tsapaka amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Eoropa « Ligue des Nations ». Tafaray von­drona i France, Belgique, Italie ary i Israel. Tsiahivina fa fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina manomboka ny volana septambra ho avy izao izy ity.

Fiadanantsoa Sidonie, vehivavy malagasy
atleta, nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny “60 m haies”, nandritra ny fifanintsanana “meeting” natao tany Mondeville, ny alakamisy lasa teo. Novitain’ity atleta ity tao anatin’ ny 8 minitra sy fito segondra io halavi­rana io.

Tsy afaka hilalao baolina mandritra ny enim-bolana Rakotoharimalala Njiva, Malagasy mpilalao baolina kitra. Raha ny vaovao, hiatrika fandidiana eo amin’ny lohaliny ity mpilalao ity. Anisan’ireo lohalaharan’ny Barea de Madagas­car nandritra ny andro voalohany sy faharoan’ ny fifanintsanana “Mondial 2026” izy.

Hotontosaina rahampitso, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly 2024, taranja “Moto­cross”. Ity no dingana faharoa amin’io fifanintsanana io. Tsara ny mampahafantatra fa lasan’i Mathias Plantive, tompondaka tamin’ny taona 2023, ny dingana voalohany.

Partager sur: