Oxow – Fara West Faravohitra. Hitondra ireo mpankafy any amin’ny tontolon’ny « blues rock » indray ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Midadasikabe ny mozika lalaovin-dry Eric Rakotoary, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana ary Andry Ramamonjisoa, mandritra izany. Ireo efa mpanaraka ny Oxow dia mahalala tsara ary tsy mety ho afapo.
Velakevitra miaraka amin’i Silo. Hahazo tombony manokana ireo mpanakanto sy izay miasa rehetra manodidina ny mozika ao Mahajanga, taorian’ny « cabaret » halina, hisy ny velakevitra hotarihin’i Silo, mahakasika ny lohahevitra « Ny toeran’ny tsirairay anaty mozika », anio amin’ny 2 ora, ao amin’ny Alliance française Mahajanga.
Hahazo tombony manokana ny mpankafy sy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny angano sy ny vaky boky, noho ny hetsika maro samihafa, momba ny angano, atao eny amin’ny IFM Analakely, anio. Ho hita, mandritra izany, ny fitantarana angano ho an’ireo kilonga iarahana amin-dRakemba.
Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampahafantarana ny Katalaogy « Hakanto Contemporary », mirakitra ny fampirantiana enina, notontosaina teny anivon’ity ivontoerana ity, nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2023. Vokatry ny fiaraha-miasany tamin’ny Revue noire no nahavitan’izao tetikasa izao.