Tetikasa “Equal”: politika ho an’ireo manana fahasembanana ara-tsaina

Napetraky ny fikambanana Autisme Madagascar, ny taona 2022, ny tetikasa “Equal” hampiroboroboana ny fandaharanasa fiahiana sosialy ho an’ny olona manana fahasembanana sy hampitomboana ny olona mpisitraka. Mifarana ny fandaharanasa ankehitiriny ary nivoitra fa tsy misy sorabola manokana avy amin’ny fanjakana hitsinjovana ireo olona manana fahasembanana nandritra ny fisehoan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Tsy manana politikam-pirenena misahana ny olona manana fahasembanana ara-tsaina rahateo isika ka maro ny olona tsy misitraka ny zony.
Nandritra ny fanadihadiana natao, tao anatin’ny tetikasa, voalaza fa 70% amin’ireo olona manana fahasembanana no tsy nisitraka ireo karazana tohana avy amin’ny fanjakana nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. 30 ny fianakaviana manana olona miaina miaraka amin’ny fahasembanana nanontaniana ka ny 10 tamin’izy ireo ihany no nisitraka tohana ary tsy fantany ny fepetra nisafidianana ireo notolorana ny fanampiana, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Ralandison Bodoa­rifara, omaly, teny Antani­na­renina.
Nanamarika ireo nahazo fanohanana fa nitondra fivoarana ho an’ny fiainana andavanandro ny tohana tokana azony.
Afaka mamantatra ireo olona mitondra fahasembanana ny tomponandraikitra ho an’ny faritra enina niasana tao anatin’ny roa taona ka nahatratra 3 413 ny manana fahasembanana (karazany maro) voaisa.

Vonjy

Partager sur: