Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Nahazo ny anjarany ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy izay hanodina ny ronono ho lasa yaourt sy fromazy. Mamokatra ronono 2 tapitrisa isan-taona ny distrikan’i Moramanga sy ireo tanàna manodidina azy. Tombony ho an’ny tantsaha sy ny mpandraharaha ny fahazoana ny milina. Hanampy amin’ny famokarana izany sady tombony ho an’ny toekarena. Noho izany, hamokatra fromazy 50 kilao isan’andro ny ozinina noho izy mahavita manodina ronono hatramin’ny 500 litatra, raha ronono 100 litatra mahavita fromazy 10 kilao. Hamidy ao Moramanga ny vokatra eo am-piandohana, aorian’izay, hanampy amin’ny fanamparihana izany manerana ny Nosy kosa ny ministera.
Fanampiana
Hitantana ny milina ny kaoperativa soa sy fampivoarana ho an’ny Malagasy (KFSM). Miisa 56 ireo mpikambana ka tanora sy vehivavy ny ankamaroany. Hiara-hiasa amin’ny mpiompy omby 20 ihany koa ny orinasa ka hamatsy ny ronono hanodidinana ny milina. Azo antoka sy ara-pahasalamana ny vokatra ary manara-penitra ny toerana fitehirizam-bokatra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fiharian’ny tantsaha mpamokatra ny tetikasa ‘One district one factory” (ODOF). Mbola hitohy ny fametrahana ny taninketsa indostrialy. Ankehitriny, milina 53 tamin’ireo napetraka no efa miodina sy mamokatra.
Henintsoa Hani