Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina, afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy tsy hita intsony ilay fiara. Nikoropaka nampandre ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana izy. Nanao ny fikarohana ny zandary ka hita ilay fiara. Efa nesorin’ny mpangalatra ny kojakoja sasany tamin’ny fiara. Noraisim-potsiny ilay tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Naverina amin’ny tompony ny fiara.
Tsiferana R.