Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i Toliara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsatotsatohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso roa. Nariana teo amin’ny toerana mangingina ny fatiny. Nanokatra fanadihadiana ny zandary. Natao ny vela-pandrika taorian’ny loharanom-baovao ny olona voalaza ho mivarotra voamaso. Noraisim-potsiny tamin’izany ireo efa-dahy. Nahatrarana voamaso nifono tanaty harona plastika teny amin’izy ireo. Ankoatra io, olona roa hafa voalaza ho tompon’antoka amin’izao habibiana miharo halatra voamaso izao karohina. Tsiahivina, lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso intsony tao Antanimieva Morombe, ny fiantombohan’ny herinandro teo. Manoloana io tranga io, mitohy ny ezaky ny mpitandro filaminana hisamborana ireo mpangalatra voamaso. Amidin’ireo olon-dratsy an-tapitrisany ny voamaso iray, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy.
Tsiferana R.