Tontolon’ny Fampianarana: hilofosana ny fanatsarana ny kalitao

Hifantoka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ny fanjakana. Maro ireo fifanarahana hatao hanatontosana izany. Tsy ho latsa-danja ny fampianarana ampitain-davitra.

Nisongadina nandritra ny lahatenin’ny filoham-pirenena, Andry Rajo­elina, nandritra ny fitokanana ny CEG manara-penitra ao Moramanga, omaly, ny hidiran’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara.
Tanjona ny hahatonga ny zaza malagasy hanam-pahaizana. Ao anatin’ny politikam-pampandrosoana an’i Mada­gasikara izay mifototra amin’ny maha olona ny fanabeazana, tafiditra anaty laharam-pahamehana, hoy ny minisitry ny Fa­na­beazam-pirenena, Sahondramalala Marie Michelle.
Efa tafapetraka ny fototra, nanome tablette, manuel scolaire, kit scolaire, fampidirana mpampianatra…. Ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana indray no himasoana manomboka eto.
Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa lasitra hatao sonia any Dubaï, hametrahana ny “Digital school” manerana ny Nosy. Haparitaka amin’ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina izany, hampita ny fahaizana sy ny fikirakirana ireny teknolojia vaovao ireny. Hampita ny fampianarana amin’ny fitaovana ampitain-davitra amin’ireo tablette numerique interactif…
Miditra tanteraka any amin’ny fanaovana ho maoderina ny fampianarana i Madagasikara satria hianatra amin’ny alalan’ny tablette ny mpianatra. Hisy koa ny fifanarahana amin’ny orinasa goavana ahafahana mampita amin’ny satelita ka hahafahana mianatra ampitain-davitra.

Mahazaka mpianatra 1 200 isa ny CEG manara-penitra
Sekoly vaovao ahitana efitrano fianarana miisa 24 ary mahazaka 1 200 mpianatra ny CEG manara-penitra ao Moramanga. Anisan’ny be mpianatra indrindra ny ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, anatin’izany i Moramanga. Mazoto mianatra ny mpianatra ary mazoto mampiana-janaka ny ray aman-dreny. Nahatratra 200 000 ireo mpianatra afaka niditra sy mianatra an-tsekoly tao anatin’ny 5 taom-piasana izay. Nambaran’ny talen’ny CEG, Razanakolona Hasina, fa efa tamin’ny 1973 no nisian’ny CEG teo aloha. Tsy antonona ireo mpianatra afaka CEPE sy 6ème intsony.

Tatiana A

Partager sur: