Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina Mangoro: « Hanofana tanora amin’ny sehatry ny zavakanto », hoy ny filoha

Hampiasaina hamohazana sy hikoloana ny talentan’ireo tanora. Nahazo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina ihany koa ny ao Moramanga. Hanampy betsaka ny sehatry ny zavakanto izany.

«Maro ireo tanora nomen’Andriamanitra fahasoa­vana, fa tsy manana ny hoenti-manana hamohazana ny talentany. Homena azy ireo ity fotodrafitrasa ity. Hanofanana ireo tanora eo amin’ny zavakanto sy ny informatika ihany koa. Mendrika izao fotodrafitrasa lehibe izao i Mora­manga », hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Ampahany tamin’ny lahateniny, omaly, nandritra ny fitokanana ny Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina « Mangoro », ao Moramanga io.
« Ivontoeran’ny kolontsaina, ny fanabeazana ary hikojana ny maha olona ity toerana ity. Nisy ny toromarika nomen’ny filoha, ka isany amin’ireny izao fitokanana izao, hamohazana ny talenta maha olona, fampianarana ny kanto : mozika, teatra, asa tanana, asa sary ary ny fikirakirana haitao ara-kajy mirindra », hoy kosa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Andriamananoro Augustin.
« Mangoro » no anarana nampisalorana ny fotodrafi­trasa, izay mitari-dalana ihany koa mankany amin’ny fametrahana an’i Mangoro ho faritra vaovao. Fanimpitony tamin’ ireo fotodrafitrasa efa miasa ity ao Moramanga ity, taorian’ ny tany Antsiranana, Maha­janga, Antsirabe, Fia­naran­tsoa, Ambositra ary Ambaton­drazaka. Lavitra to­koa ho an’ ireo mponina ao Moramanga mantsy ny hihazo an’Amba­ton­drazaka raha te hisitraka izany.
Toa ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina rehetra, manana efitrano lehibe fanaovana fampisehoana i « Mangoro ». Misy efitrano fivoriana sy fiofanana, na ho an’ny sehatry ny zavakanto na ho an’ny serasera. Misy tranomboky sy efitrano fanao­vana fampirantiana ihany koa. Notsindrian’ny filoham-pire­nena manokana ny fisitrahana fiofanana ho an’ireo tanora eo amin’ny sehatry ny zavakanto, toy ny teatra, hosodoko sy ny karazan-javamaneno maro. Nampanantenainy fa hasiana « piano à queue » ihany koa ao.

Zo ny Aina

Partager sur: