TSELATRA

Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana momba ny hetsika « Opération Harato II ». Nisy ny vokatra hatramin’ny volana janoary teo. Ankoatra ireo olona 24 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’An­dra­nomiely, olona efatra hafa andalam-pisamborana satria ahina ho tompon’antoka tamin’ny vono koa.

Olona nandeha lakana vao maraina no lasan’ny rano teny Tanjombato, omaly. Nianjera tampoka tao anaty rano izy raha iny hiditra tao anaty lakana iny. Avotra soa aman-tsara anefa izy ka tsy misy ahina ny ainy. Miakatra rahateo ny ranon’Ikopa amin’izao fotoam-pahavaratra izao ka tokony ho mailo hatrany ireo miampita rano. Toy izany koa ny ranon’i Sisaony.

Vehivavy iray nianjera avy eny ambony taxi-be teny Ankadimbahoaka. Handeha hiasa any Analakely, teo am-pisisihana hiditra ny fiara izy no nianjera. Torana tsy nahatsiaro tena ka voatery nentina hopitaly. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ka tsy misy atahorana ny ainy. Olana atrehin’ny olona isan’andro ny fisisihana taxi-be amin’ny maraina sy hariva.

Mpanendaka iray voasambotra tao Bera­vina, Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Vehivavy bevohoka nandalo no saika hanamparan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Nodarohan’ny fokonolona izy ary nentin’ny zandary natao fanadihadiana.

Partager sur: