Miavaka ary tena mahavariana ireo vahiny ny atleta malagasy. Amin’ny taranja rehetra manana ilay fahaizana voajanahary izy ireo. Tsy sarotra ny mampianatra sy mampita fahaizana aminy fa vetivety ihany dia efa tafampita izany, hany ka tsy ela ny fiotazana ny vokatra.
Na izany aza, rehefa tonga eo amin’ilay tanjona ny atleta ka lasa tompondaka, mihevi-tena fa ambony indrindra ka tsy azo kitihina intsony. Azafady tompoko! Tsy misy toerana voatokana amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Mety tsy ho azon’ny rehetra ny tian-kambara amin’izany. Rehefa tonga malaza sy fanta-daza ny atleta iray, mieritreritra fa manana ny toerany ao anaty ekipam-pirenena ka tsy misy afaka ny maka izany. Tsy mikotrana intsony ary tsy manaraka toromarika intsony. Heveriny fa manana toerana voatokana izy. Izay mendrika no mahazo izany, hoy ny fomba fiteny vahiny. Ady io toerana ao anaty ekipam-pirenena io, ka ilaina ny mikotrana isan’andro hitazonana izany.
Mitranga izany toe-javatra izany, ao amin’ny baolina kitra sy ny rugby, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo aloha. Misy ny lalao fifantenana ataon’ny federasiona. Tsy tonga miatrika izany ireo mpilalao efa tao anaty ekipam-pirenena efa nandrombaka medaly volamena sy nahazo amboara, satria mihevitra ry zalahy fa efa manana toerana voatokana izy ireo ary tsy afa-miala aminy ny mpanazatra. Azafady tompoko! Tsy misy toerana voatokana ao. Ireo zandrikely koa manana hambo ny hametraka ny anarany eo amin’io toerana io ka milofo andro aman’alina satria tsy misy toerana voatokana ao anaty ekipam-pirenena.
Tompondaka