FANTINA sy FINTINA

Nahazo fanasana hanatrika ny ”Sommet mondial des gouvernements », hatao any Dubaï, ny 12 hatramin’ny 14 febroary izao, ny filoha Rajoelina Andry. Handray fitenenana izy rahampitso, manoloana ireo delegasiona marobe miatrika ity fivoriambe ity. Ny filoham-pirenen’ny Emirats Arabes-Unis, Mohamed Ben Zayed Al Nahyane, no nandefa ny fanasana.

“Mitohy ny asan’ny vovonan’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanelanelanana”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, taorian’ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Sehatra ifanakalozan-kevitra ary misokatra ho an’ny rehetra ny Antenimierampirenena.

“Hafatro ho an’ireo mpanao politika: tsy mitsikera fotsiny fa mitondra vahaolana rehefa mitsikera”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Rabetsaroana Sylvain. Aoka izay ny fidinana an-dalambe. Ho avy izao ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna ary ny fifidianana solombavambahoaka, ny hevitra no tokony hampiadiana amin’izany.

Tsy afaka ampiasaina anenjehana an-dRa­jaonah Mbola intsony ny andininy faha-301, momba ny lalàna mifehy ny fadintseranana eto amintsika. Efa voatsara mialoha sy voaheloka tamin’izany izy, hoy ny Maitre Rafidison Eric, mpisolovavany. Tokony hivoaka ny fonja ny 14 febroary 2024 izy saingy nisy antontan-taratasin’ady hiampangana azy indray.

Partager sur: