Tsy mandalo fotsiny amin’ny mpanoratra ny volana febroary, volan’ny mpifankatia… Namoaka ny boky “Miaina fy tia” i Tsiaro, ny faran’ny herinandro teo. « … Tononkalo voafantina manokana. Natao indrindra hanamarihina ny fetin’ny mpifankatia », raha ny fanazavany no voarakitra ao amin’ity boky vaovao mirakitra fehezan-tononkalo ity.
« Miaina satria iainana amin’ny andavanandron’ny olombelona ny fitiavana. Vao mitsaika ao am-bohoka ny olona iray ary mandra-pahatapitry ny fofonainy, miaina fitiavana hatrany. Tsy voatery ho fitiavana tonga lafatra sy mampanonofy toy ireny anaty horonantsary ireny hatrany no iainana amin’izany.. Kanefa na toy inona na toy inona endrika isehoany, misy fy iainana mandrakariva ao. Dia izay ilay hasambaran’ny tia », hoy i Tsiaro. Fehezan-tononkalo satria tononkalo 15 ao anaty pejy 18 no atolotra ny mpamaky, raha ny fanazavany hatrany.
Ampahany amin’ny sanganasany : « Ny ngidin’ny fitiavana, na oviana tsy hifarana. Kanefa ny mitia, miteraka hasambarana » (Ny Tsiaro).
Nanangona : HaRy Razafindrakoto