“Hamafisina ny fanentanana ny olom-pirenena amin’izay fisoratana anarana izay. Tombontsoa ho an’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily ny manamafy an’izay fanentanana izay, satria fifidianana manakaiky vahoaka ny hatao manaraka eo: ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ary ny depiote, izay olom-boafidy tena fidodododoan’ny olom-pirenena amin’izay hanehoany ny hetahetany sy ny fitarainany”. Io ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana amin’izao sy ny fiatrehana ny fifidianana ho avy eo. Heverina fa tombontsoa ho an’ny mpanao politika ny mandray anjara amin’ny fididianana. Antoka amin’ny fandraisana anjara amin’izany ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana.
“Mahavelombolo ny fandehan’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana amin’izao”, hoy izy. Satria tena manao fanentanana ny tomponandraikitry ny Ceni eny amin’ny fokontany miaraka amin’ny lehiben’ny fokontany. Hita fa misy ny fahavitrihana. Na izay vao feno taona izany, na izay tsy tafiditra tamin’ny lisitra teo aloha, na izay mifindra fonenana. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, ohatra, tena betsaka ny olona misoratra anarana. Tsy tokony hahagaga izany, fa tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana nahitana fahalainana teto: ambany indrindra ny taham-pisoratana anarana. Antenaina hitohy izay fahavitrihana izay hatramin’ny faran’ny volana.
R. Nd.