Fifamaliana namoa-doza: nifamono, niara-maty izy mivady

Niafara tamin’ny ra mandriaka ny fifamalian’ny mpivady tao Vangaindrano, afakomaly. Niara-maty ilay rangahy sy ramatoa vadiny.

Renim-pianakaviana iray 27 taona sy rangahy vadiny 50 taona niara-maty tao an-trano fonenany, tao amin’ny fokontany Vohi­mena, distrikan’i Vangaindra­no, ny sabotsy 10 febroary teo. Nisy olana nitarika ny tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady, tamin’ny 7 ora hariva. Niaka-peo ilay rangahy nanoloana am-badiny. Nihenjan-droa tanteraka ny tady teo amin’izy mivady ka raikitra ny fifampikasihan-tanana mahery vaika. “Nifamaly izy mivady ireo ary tena nifampikasi-tanàna”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao an-toerana. Somary mitokantokana ny toerana misy ny trano fonenan’izy mivady ireto ka tsy nisy nahare ny tena zava-nisy ireo mponina manodidina.

Nitsirara

Naharay fampandrenesana ny sefo fokontany Vohi­mena fa niafara amin’ny fifandatsahan-dra ny fifamalian’ireo mpivady mponin’ny fokontany ireo. Niantso ny mpitandro filaminana miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ma­tan­ga izy. Nijery ifotony ny zava-nisy ireo tomponandraikitra ireo saingy vatan’olon-droa mihosin-dra no hita tao anatin’ny trano. Samy tsy nisy aina intsony na ilay raim-pianakaviana na ilay ramatoa vadiny. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fifamonoana. “Anatin’ny fanadihadiana tanteraka izahay mpitandro filaminana amin’izao fotoana”, hoy ny zandary ao an-toerana. “Na inona na inona fifamaliana, tsy tokony hisy ny fifampikasihan-tanana mba hialana amin’ny fifamonoana toy izao”, hoy ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pa­ritry ny zandarimaria ao Van­gaindrano.

Tsiferana R.

Partager sur: