Mandeha ny fitsinjarana ireo biby fiompy sy sakafom-biby ho an’ny tantsaha ataon’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Nitsidika kaominina maromaro any amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny minisitra Ratohiarijaona R. Suezlin, ny herinandro lasa teo, nandray ny hetahetan’ny tantsaha. Ho famaliana izany fangatahana izany, natao ny sabotsy 10 febroary teo, tany Ambositra, ny fizarana biby fiompy sy kojakojam-piompiana ho an’ ny fikambanana Ampela mitsinjo ny soa (AMS), izay mankalaza ny faha-4 taonany, ankehitriny. Notolorana zanak’ akoholahikely miisa 6 000 ny fikambanana, miampy zana-kisoa nohatsaraina miisa 20. Teo koa ny sakafom-biby katsaka 3 taonina, provandy ho an’ny kisoa 500 kg, provandry ho an’ny akoho 250 kg, vitamina 400 fonosana ho an’ny akoho.
Nisolontena ny minisitra tamin’ity fotoana ity, ny tale jeneralin’ny fiompiana (DGE), Lezoma Andriamahatola Tsiry, sy ny mpiara-miasa aminy. Nanome voninahitra koa ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rtoa Fomendraza Haingo Elisette sy ny tomponandraikitra samihafa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Mahatratra 12 000 ny vehivavy tantsaha mpikambana ao anatin’ny AMS amin’izao fotoana izao. Fikambanana manatsara ny lafiny fihariana sy ny sosialy ho an’ny vehivavy ao anatin’ny distrika efatra, faritra Amoron’i Mania.
Njaka A.