Miverina mirongatra indray ny valanaretina lefakozatra, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitia ka manentana ny rehetra hitondra ny ankizy hatao vaksiny fanefitry ny aretina izy. Maimaimpoana ny fanatanterahana ny vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Ny zaza latsaky ny 5 taona tsy vita vaksiny no tena marefo manoloana ny valanaretina.
Hitohy ny oram-pahavaratra any amin’ny faritra avaratra sy avaratra andrefan’ny Nosy ka misy ny fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Hirefy 90 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny 14 febroary ny fampitandremana ho an’ny faritra Sofia, Diana, Betsiboka ary ny distrikan’Andilamena.
Malagasy mpianatra 27 nahazo vatsim-pianarana any Sina ho an’ny taom-pianarana 2023-2024. Efa nisokatra nanomboka ny taona 2008 rahateo ny ivontoerana fianarana teny sy ny kolontsaina sinoa eny amin’ny oniversite telo eto amintsika: Antananarivo, Fianarantsoa ary Toamasina. Manohana ny fampianarana ambony ny fanjakana sinoa
Tokantrano miisa 76 tao amin’ny fokontany Ampasy sy Tanambao (Andombiromamy), kaominina Morondava, no nisitraka fanampiana vary, lojy sy menaka isan-tokantrano avy amin’ny fitondram-panjakana. Traboina vokatry ny fiakaran’ny rano tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro izy ireo.