Lalao fanorona : mampandroso ary ifotoran’ny fiainan’ny Malagasy

Tontosa tetsy Ambo­hidratrimo, ny faran’ny herinandro teo ny “Festival fanorona”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’i Sou­leman Mpikabary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona ny hampivoatra sy hamelo-maso indray ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fanorona. “Mifototra amin’ny fanorona avokoa ny foto-kevitra sy ny fiainanan’ny Malagasy rehetra”, hoy i Sou­leman Mpikabary, nandritra ny hetsika.

Nilaza izy fa ilaina fanorona avokoa ny fitantanana ny fiainana sy ny tokantrano ary ny firenena. Noha­mafisiny hatrany fa mi­tondra ny Malagasy any amin’ny fandrosoana ihany koa io kilalao iray io. “Taloha tsy na­hazo nitondra fanjakana mihitsy ny olona iray raha tsy ma­hay fanorona”, hoy izy nanazava.
Hamerenan-kasina ny Rovan’Ambohidratrimo
Maro ny hetsika hita teny an-toerana nandritra ny roa andro. Anisan’izany ny lalao famaranana ho an’ny fifaninanana manao fanorona. Teo koa ny seho nataon’ny mpanakanto ara-drazana. Ankoa­tra izay, nandinihina ny hevitra sa­mi­hafa mahakasika ny tontolon’ny fanorona ihany koa teny an-toerana. Renivohitry ny fa­no­rona i Ambohidratrimo. No­so­kafana tamin’ny dinika ha­me­renan-kasina ny Rovan’Am­­bohidratrimo ny fetiben’ny fanorona. Misedra olana io Rova io ankehitriny taorian’ny nahamay azy, ka noresahana ny fomba hamerenan-kasina izany.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nikabarian’i Souleman Mpika­bary ny hetsika. Hihatsara kokoa ny andiany faharoa amin’ny taona ho avy.

Mino

Partager sur: