Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony.
Noraisim-potsiny! Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (zanaka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra atsimo ireto. Taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo ity nitondra baobab ity. Hiakatra aty an-drenivohitra ilay fiara niaraka tamin’ireto hazo arovana ireto. Nahazo loharanom- baovao mialoha ny zandary momba ny fisian ‘ ity fiara mitondra hazo arovana ity. Efa niandry teo amin’ny sakana ireo zandary ka nandalo tokoa ilay fiara. Niroso tamin’ny fisavana ny mpandeha ka voamarina izany. Notazonina nanaovana fanadihadiana ny mpamily raha nogiazana kosa ireo zana-kazo. Natolotra ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana ao Saharaha ireo zana-kazo. Mitohy ny famotorana momba ity raharaha ity. Marihina fa voararan’ny lalàna ny famongorana ireo hazo voasokajy ho sarobidy. Iharan’ny sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna nataony avy hatrany ireo tratra mandika izany.
J.C