Nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary hazalambo, lavo ny dahalo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, tao amin’ny kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, ny 9 febroary teo. Nikononkonona hanafika toy ny fanaony indray ireo dahalo ireo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka namolavola paikady. Nigadona tao amin’ny tanànan’i Tsinjorano, fokontany Tsanaloka tokoa ireo olon-dratsy tamin’ny 6 ora sy 45 minitra. Nitondra fitaovam-piadiana, nikendry ny handroba tokantrano sy hangalatra omby izy ireo. Nataon’ny mponina ao an-toerana hazalambo avy hatrany ireo dahalo. Raikitra ny fifandonana ka maty voatifitry ny zandary nanatevin-daharana ireo fokonolona ny dahalo roa lahy. Voa teo amin’ny feny ny iray raha toa ka trobaky ny bala teo amin’ny lohany ny namany. Tetsy ankilany, tsy nisy naratra ny mpanara-dia. Nalevin’ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’izy roa lahy ireo ary mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ao an-toerana hikarohana ny naman’ireo roa lahy lavo ireo.
Tsiferana R.