Ny toky fitaka fa ny atao no hita. Manome toky izay hamitaka. Izay no maha fitaka ny fitaka: endrika ivelany fa tsy arakaraka ny vava izay atao, amin’ny farany vao hita ny fitaka mahavoa. Izay itokisana no mamitaka? Izay tsy itokisana kosa na efa fantatra ny toetrany sy ny fanaony, mahamalina avy hatrany fa mety mamitaka, hahitan-doza… Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, saika mandeha ho azy hatrany izay toky fitaka izay. Hambaboana ny fon’ny mpifidy, hakana ny vatony… Efa mahazatra ka itandremana?
Fa misy koa ny taky fitaka amin’izay fiatrehana fifidianana izay: fitakiana etsy, fangatahana eroa. Toy izay nisy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, nitakian’ny mpanohitra ny hoe fanadiovana tokotanim-pifidianana: fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny rafitra mpikarakara sy mpikirakira izany, ny fomba fiasa… Nanao ahoana? Vita ihany ny fifidianana; eny, na eo aza ny adihevitra politika hoe tsy ara-dalàna, tsy manana na tsy mahazo ny ara-drariny. Politika no atao, arakaraka ny fifandanjan-kery.
Amin’izay fifidianana akaiky ny vahoaka izay, mbola hisy izay taky… fitaka izay? Fitakiana zary fitaka… Nanao ahoana tokoa raha narahina ny fitakiana tetsy sy teroa? Lasa krizy politika lalina, angamba, raha efa tapitra fe-potoam-piasana ny filohan’ny Repoblika, nefa mbola hanao fihaonambe, hamolavola lalàna, hametraka rafitra… Mbola misy ny fanahiana krizy amin’izao, fa hoe mbola tsy mivaha ny olana tamin’iny fifidianana iny? Ady fiady saingy tsy maintsy mandroso ny tantara. Izay no mampiatrana ny ankamaroan’ireo tao amin’ny vondron’ny kandidà hiatrika fifidianana amin’izay? Na ny toky na ny taky, mety ho fitaka avokoa fa ny atao no hita. Mila mandroso ny tena sao ilaozan’ny olona…
R. Nd.