Tanora Masina Itaosy: seho nanjakan’ny fitiavana ny « Ny tia dia… »

Antokom-pihira anisan’ny maro mpitia ny Tanora Masina Itaosy sy ireo sanganasany. Lalan-davitra no naleha. Naneho ireo vokatra nampanantenaina izy ireo, omaly. Nampita hafatra lehibe ihany koa.

… Fampisehoana an-tsehatra goavana be nampitondraina ny lohateny « Ny tia dia… », notontosaina tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Ima­ha­ma­sina. Nandritra ity seho ity ihany koa no nivoahan’ny « Hafa ny taloha », rakikira faha-10-n’ny antokom-pihira Tanora Masina Itaosy. Poa-droa, anisan’ny niteraka he­rim-panahy lehibe ho an’ny tsirairay tonga teny an-toerana, omaly tolakandro.

Tao anatin’ny ora efatra, natamberin’ny Tanora Masina Itaosy tany amin’ny 30 taona lasa ny ampaham-potoana sasany. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo hira vaovao izay nanairany indray ny halehiben’ny fitiavana. Voahaja fatratra ny ora fanombohana. Ny lohahevitra « Ny tia dia… », avy hatrany no voafaritra tamin’ireo hira telo voalohany nanakoako avy eny an-tsehatra.

Saika nahitana taratra io fitiavana io avokoa ny fonosin’ny tononkira tsirairay. Tao ny fitiavan’Andriamanitra ny zanany. Ny fitiavana ny mpiara-belona, ny raiaman-dreny, ny samy zanaka, sns.
Tao anatin’ny fitiavana avokoa ny rehetra « Ny tia », hira noforonin’i LovaN (Lova Ranaivo). Hira fanevan’ny fampisehoana notanterahin’ny antoko mpihira Tanora Masina Itaosy, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Ima­hamasina, omaly. «  Hira ha­nolorana anao ny famaritana, araka ny Soratra Masina, ny atao hoe Fitiavana. Hira afaka atolotrao ireo akaikin’ny fonao rehetra, ilay fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao: vady, zanaka, Dada, Neny, iraitampo, namana, olon-tiana, … », hoy ny mpanentana.
Ho an’ny mpijery indray, tao anatin’ny fitiavana tanteraka no nandraisan’izy ireo ny hira rehetra niainga avy eny an-tsehatra. Samy nihira, nifaly, nitehaka, nifankahery tamin’ny alalan’ny topi-maso, tsiky, fifandraisan-tanana, sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: