TSELATRA

Lehilahy iray hita faty nananton-tena tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Betsiraha, kaominina ambanivohitra Lopary, distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Nentin’ny hamamoana; nifamaly tamin’ny rainy izy ka nodorany ny trano. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io lehilahy io saingy tsy hita raha tsy tamin’ny 11 ora alina. Nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo tao Antranombazaha izy.

Nidoboka am-ponja ilay raikely nanolana ny zana-badiny ka nahabevohoka io zaza io tao Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Matetika tsy ao an-trano ilay renim-pianakaviana ka nanamparan’ilay raikeliny ny filan-dratsiny ilay zana-badiny vao 13 taona monja. Bevohoka 5 volana ilay zaza.

Roa lahy nangalatra katsaka sy voatabia voasambotry ny zandary tetsy Antananarivo Avaradrano, omaly vao maraina. Notangosan’izy roa lahy ny voatabia tao anatin’ny saha sy ny katsaka. Nosamborin’ny fokonolona izy ireo ka tratra.

Mpandray anjara miisa 530 ireo niara-nivory tamin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanana, afakomaly. Hisorohana ny fakana an-keriny mateti-pitranga ao anatin’io distrika io, nanamafy ny tagnamaron’ny fandriampahalemana iarahana amin’ny fokonolona ny zandary miasa ao an-toerana. Nanotrona io dinik’asa io koa ny olom-boafidy sy olom-boatendry ao anatin’ny distrika.

Partager sur: