Zanak’i Toamasina : nahazo ny fitokisan’ ny Filoham-pirenena

Tanora 5 mirahalahy, zanak’i Toamasina, no voatendry amina toerana tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Naneho fisaorana ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ny fametrahan’ny Filoham-pirenena fitokisana hiara-hiasa aminy hanatratra ny tanjona amin’ireo andry telo napetraka hoentina mampandro an’i Madagasikara.
Anisan’izany ny tale misahana ny raharaha ara-bola sy ny vakoka, Rakotomalala Eric, sy ny tale misahana ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Soufaly Yvan Fabius, samy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Ity farany izay sady manana ny traikefa maro amin’ny serasera ary efa nisahana ny andraikitra hatramin’ny taona 2020.
Eo koa ny tale misahana ny famoronana asa, Faliarisoa Luc Honoré, sy Randrianirina Rogesselin, tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Harison Stéphanio kosa no talem-paritra ao amin’ny MCC.
Nilaza izy ireo fa tsy handraraka ilo mby an-doha ny fitokisana napetraka ary hamita ny andraikitra apetraka aminy.

Tatiana A

Partager sur: